Fiainanao rahatrizay (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Fiainan-tsambatra na fahoriam-be
No valin’ireo vita ety an-tany.
Ialao ireo ota izay mangeja re,
Sao anaty afo mahamay vao tojo nenina e !

Fotoana izao hihaonana amin’i Jeso.
Ny tanjony anie vdry dia ireo izay mahasoa.
Raha toa manda Azy ianao dia ho very indray.
Ho very ianao, rahatrizay
Ka sokafy ny fo ho fitoerany.
Izy efa ela no niandry anao ilay maminy
Mba gdwrnm handovanao ilay fiainan-tsambatra,
Dia ilay fiainana, mandrakizay.

Tsy tara ianao raha vonona ny hiova e,
Ka mibebaka eo anatrehany e !
Hanaraka tokoa ireo didiny
Izay napetrany ho ahy sy ho anao fahiny.

Tsy tara ianao raha vonona ny hiova e,
Ka mibebaka eo anatrehany e !
Hanaraka tokoa ireo didiny
Izay napetrany ho ahy sy ho anao amsf fahiny.

Fotoana izao hihaonana amin’i Jeso.
Ny tanjony anie dia ireo izay mahasoa.
Raha toa manda Azy ianao dia ho very indray.
Ho very ianao, rahatrizay
Ka sokafy ny fo ho fitoerany.
Izy efa ela no niandry anao ilay maminy
Mba handovanao ilay fiainan-tsambatra,
Dia ilay fiainana, mandrakizay.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0319