Ahoana tokoa moa ? (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Izay rehetra naleha niarahana taminao
Mbola hiverenako ve ho an’olon-kafa indray ?
Sao lahy ahatsiahy mafy anao
Ka hampahory ahy?
Ka ho maina, hangahiahy aho
Ka ho maina, hangahiahy aho akia

Mbola hovitako ve ny hilaza tsy aminao
Fitiavana be dia be noheveriko ho anao ?
Sao lany andro ampitahy aho
Ka hanahirana ahy?
Ka ho maina, hangahiahy aho

Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako baor ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Hangitakitaka ve ny doboky ny fo ?
Hijaly kely ihany koa ve ny ati-fanahiko ?
Raha olon-kafa tsy ianao
No ho eo anilako
Manahy aho, manahy, manahy mafy aho akia
Tena mbola manahy, fa cshav hangahiahy satria

Ho aiko ve ny anadino anao tononkira.serasera.org ?
Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao
K’aleoko izaho no ho foana jirtanet toy izay ianao, ianao

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Poopy
Visites : 12831
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mbolamalala
Date : 16/08/2004 07:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0286