Ianao (Ny Ventso)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ianao no andry iankinan'ity fo,
Tokako Ianao.
Ianao no hery amin'izay rehetra atao,
Aza mandao.
Raha sendra alo-drano aho Ianao tanjako,
Raha tojo fitsapana mahamay
Mitoera ato anatiko Ray.

Isan'Andininy:
Ianao, Ianao vatolampy fiarovako.
Ianao, Ianao no fiainako.

2. Ianao no mahavaha fitarainako,
Miantra Ianao.
Ianao ilay tsy manao andolom-po,
Tiako Ianao.
Jesô fierenay, Ianao famonjena.
Anilanao tsy lanin'ny fitia, fitia ho doria.

Isan'Andininy:
Ianao, Ianao no mahalala izay mahasoa.
Ianao, Ianao no fiainako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ventso
Vangy : 1235
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kaleba02
Daty : 29/05/2018 22:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854