Jesosy ro lalagna (NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOSY RO LALAGNAMarea aty ndraika moa agnao
Marea aty ndraika moa agnao e
Hilazako ny vaovao
Lagnitsa paradisa ho lovanao
Aia ro misy an’izao
Azafady mba lazao e
Fa aho koa anie mba te ho agn’andagnitsa
Jesosy anie ro lala tokagna
Handovanao ny lagnitsa
Anjaranao ny mivavaka e
Izy anie efa namonjy antsika
Ka nagniraka hitory sy hanao batisa
{Ko hasakasakao raona
Indrindraindrindra ny tanora
Takapa @ fivoara
Hany ka voa tamagna e
Tsa mitsinjo zay hiafarana} in-2
{Ilay Tompo Andriamagnitsa
Miandry anao hibebaka e
Miverena ry ondry, izay nani(a)} in-2
Jesosy anie ro lala tokagna
Handovanao ny lagnitsa
Anjaranao ny mivavaka e
Izy anie efa namonjy antsika
Ka nagniraka hitory sy hanao batisa
{Ko hasakasakao raona
Indrindra indrindra ny tanora
Takapa amin'ny fivoara
Hany ka voa tamagna e
Tsa mitsinjo zay hiafarana} in-2
T/F : TANTELY Andriamampiandra Abelson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira)Vangy : 28
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Prosper01
Daty : 19/05/2026 18:20
