Ts'isy tasy (MENDRIKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana tena matotra
No atolotro anao
Tsy misy tasy ts’isy pentina
Madio mangatsakatsaka

Fitiavana tena masaka
No atolotro anao eh !
Toa ravaka toa mamiratra
Manendrika ny fiainana

Na sarotra aza ny dia
Ny hivadika dia sanatria
Ho tia anao hatrany (2)
Any an-koatra eto an-tany

N’aiza n’aiza no aleha
Hanaja ilay fanekena
Mamiratra izay jerena
An-koso-bolamena

REFRAIN
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria


Tonony sy feony : RAKOTOSON Olivier Espérant
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MENDRIKA
Vangy : 2333
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 04/09/2004 03:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2018