You are here: home > Tononkira > MENDRIKA

Mahatsiaro anao (MENDRIKA)

Injay fa milatsaka ny orana
Mipatrapatraka aok’izany
Izaho miady amin’ny olana
Mandefa saina sy vinany

Refrain:
Mahatsiaro anao foana izaho
Ilay nametrahako ny foko
Tongava miandry anao foana aho
Tsy hisy intsony ny toloko

Na dia lavitra aza ianao eh !
Toa hitako
Raha vao milatsakTsiky dia ampya ny orana
Na any ambadika aza ianao eh !
Toa tsinjoko

Injay fa mandeha ilay hirahira
Mampanembona any ho any
Mitondra revy sovenira
Mahavelombolo ny fanahy

Malahelo mafy anao eh !
Ny fiainako
Na maraina na atoandro na hariva
Manirery tokoa aho e !
Marary fo


Tonony sy feony : RAKOTOSON Olivier Esperant

Mpihira : MENDRIKA
Mpamaky : 10458
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 04/09/2004 00:50:49
ID : 2598

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo