Ramiaramila (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ialahy, ialahy ’lay tsy matory
Fa variana mieritreritra
Ialahy, ialahy ’lay mieritreritra
Tsy mety mahita tory a !

Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana
Ny lalana nodiaviny tsy fidinana mhvcgb intsony
Ny omaly hitan’ialahy
Ny androany eritreretina
Ny androany hitan’ialahy
Ny ampitso eritreretina !

Ny lalana nodiaviny ldyd toa miakatra sy midina
Ny fiainana iainany manaraka an’iny a !

O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Lohanao iny ô, dia voasarona tsara
O vqlifz Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Sainao iny ô, tsy voasarona kosa

Toa manahirana fa mivezivezy
Ny fisainana ao anaty kaska
Tsy mahatombona ny fisainana
Fa mitady lalana ivoahana !

Rehefa misy rotaka (bis)
Mila hikorontana ny loha !
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria ...

Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (bis)

O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Rehefa manana azy ô, dia manjary sahisahy
O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Iny basy iny ô, hitifiranao an’iza ?

Toa manahirana ny mandinika an’izany
Toa manahirana ny mamaly an’izany
Fa ny miaramila ho’aho mpanatanteraka ny baiko
Hatraiza moa ny fetra hanarahany an’izany tononkira.serasera.org ?

Rehefa misy rotaka (bis)
Mila hikorontana ny loha !
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria ...

Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (3)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0155