Rafahafahana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako, tiako
Ary tena faniriako
Raha ialahy
No mba namana
Mety handray ireto
Ireto tànana

Indrisy, indrisy
Toa mitady ny tsy misy
Fa ialahy
Rafahafahana
Toa manda tsy mety
Mety ho namana

Teto aho
Dia nipitrapitra
Sy nitsiriritra
Ny tsy natao ho ahy
Nefa fitia tsy mety ritra
Mikiry sy maditra
Natokako ho an'ialahy

Ndraindray, ndraindray
Variana aho mijery an'ialahy
Manatona  
Ireo izay tsy mitady
Fa miavona anay 'zay mandadilady

Inona? inona?
No anaovan'ialahy ahy tsinontsinona
Manavaka trano idirana
Sa ve ialahy mifidy
Fihodirana?

'Zahay aty
Mijinja ny mafaitra
Mitady ny tsy laitra
Tsy afaka manoatra
Hiandrasanao hitondra takaitra
'Zay ngamba ianao vao taitra
Sao dia mba tara loatra?

Potika, potika
Fo sy saina rotidrotika
Miatomboka ny faharavana
Mahery ilay ry
Ry figadrana

Foiko, foiko
Raha ny foko no henoiko
Ny hanome ny aiko mba ho sorona
Ka ny fanahiko
Hitovy
Amin'ny vorona

Aoka aho mba ho tompon-tsafidy
Mba tsy havela hihidy
'Ty vavako miteny
Ampy ahy izay nitondra mangidy
Tsy tiako ho tadidy 'reny rehetra ireny

F'izaho sy ialahy
Hamafy hafaliana
Hanome fanampiana ny mitovy amiko
Raha eo ialahy anampy ireo mangina
Fahafahana no iriana ho an'ny taniko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0343