Rafahafahana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako, tiako
ary tena faniriako
raha ialahy no mba namana,
Mety handray ireto,
Ireto tanana

Indrisy, indrisy,
Toa mitady ny tsy misy
Fa ialahy, Rafahafahana
Toa mandà tsy mety,
Mety ho namana...

Teto aho dia nipitrapitra,
Sy nitsiriritra,
Ny tsy natao ho ahy
Nefa fitia tsy mety ritra,
Mikiry sy maditra,
Natokako an’ialahy.....

Indraindray, indraindray,
Variana aho mijery an’ialahy
Manantona, ireo zay tsy mitady,
Fa miavona anay,
Zay mandadilady....

Inona, inona,
No anaovan’ialahy ahy tsinontsinona,
Manavaka trano hidirana,
Sa ve ialahy mifidy,
Fihodirana.......

Zahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra
Iandrasana, hitondra takaitra,
Zay ngamba ialahy vao taitra,
Sao dia mba tara loatra....

Potika, potika,
Fo sy saina rotidrotika,
Miantomboka ny faharavana
Ka eo ilay ry figadrana..

Foiko, foiko,
Raha ny foko no henoiko
Hanome ny Aiko,
Mba ho sorona,
Ka ny fanahiko hitovy
Amin’ny vorona......

Aoka aho,
Mba ho tompon-tsafidy,
Mba tsy havela hihidy,
Ty vavako miteny
Ampy ho ahy izay,
Nitondra mangidy,
Tsy tiako ho tadidy,
Reny rehetra ireny...

F’izaho sy ialahy,
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko,
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
FAHAFAHANA no iriana,
Ho an’ny Taniko..........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 28144
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ramasomanana Rindra
Daty : 14/12/2001 13:03
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126