Hanaraka anao (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hanaraka anao toy ny aloka
Ka tsy hifandao raha tsy andro tena maloka
Ka raha mbola misy taram-pahazavana
Tsy hiala teo mihitsy aho raha toa mbola tamana (x2)

Tsy andriko intsony ny andro maraina
Ahazoako mifoha hamonjy anao ry aina
Ka tsy hiala teo indray raha tsy ny andro no hariva
Rehefa injay ny masoandro iva dia iva (x2)

Izaho anie ka zaza tsy mahasara-dreny
Hanaraka anao eny rehetra eny
Ianao irery no afaka hampitony ny tomany
Ka raha toa aho solafaka ianao hanarina ahy hatrany (x2)

Ny vavan’ny sasany tsy ahoako intsony
Fa ny fitiavantsika no asandratro ambony
Ka ny vavaka atao dia mba haharitra hatrany
Haharitra tokoa anie izany fiarahantsik’izany (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 24333
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 16:10
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2879