Fitia vao mitsiry (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitia vao nitsiry ssiwvxci tamin’ny.
Ora tsy nampoizina
Tonga dia nankadiry,
tsy laitra hozongozona

Nobedesiko ny bnvpet foko,
notsatsoiko ny xvmdhn hadalany
Novalian’ny toloko
Dia noho ianao ihany
Aza dia esoina,
Ity fo misari-adala
Ny fitempony henoina
Mitempo anao ry malala

Ny rà mikoriana,
Ao anatiko ao,
Miboiboika fifaliana
Raha vao mahita anao

Ny saiko mihaotra,
Ny foko tononkira.serasera.org mazoto,
Ny voalohany matahotra
Ny faharoa mirotoroto.

Hery roa no mifanandrina,
Ny fo mihizihizy,
Ny saina te hitandrina
Resy anie f’izato izy

Ndreto izahay mitalao
Samy revo samy tia
Fo sy saina ho anao
Ny hivadika dia sanatria

Raha misy fanantenana
Avia f’aza mihenahena
Raha tia ny fo aza raràna
Fa ny aty efa jambena

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0769