Fitia vao mitsiry

Lohateny Fitia vao mitsiry
Nampiditra naivoidealy
Tamin'ny 12/10/2005 12:24
Vangy : 887

RE                RE avec bassFAdiez 
Fitia vao nitsiry tamin’ny.
REbassFAdiez SOL
Ora tsy nampoizina
MImin      LAmaj
Tonga dia nankadiry, 
LAmaj         RE
tsy laitra hozongozona


RE           SImin
Nobedesiko ny foko, 
MImin          SOL
notsatsoiko ny hadalany
LAmaj/SImin/DOmin/DOdiezmin
Novalian’ny toloko
LAmaj           RE   
Dia noho ianao ihany

Aza dia esoina, 

Ity fo misari-adala

Ny fitempony henoina

Mitempo anao ry malala



Ny rà mikoriana,

Ao anatiko ao,

Miboiboika fifaliana

Raha vao mahita anao



Ny saiko mihaotra,

Ny foko mazoto,

Ny voalohany matahotra

Ny faharoa mirotoroto.



Hery roa no mifanandrina,

Ny fo mihizihizy,

Ny saina te hitandrina

Resy anie f’izato izy



Ndreto izahay mitalao

Samy revo samy tia

Fo sy saina ho anao

Ny hivadika dia sanatria



Raha misy fanantenana 

Avia f’aza mihenahena

Raha tia ny fo aza raràna

Fa ny aty efa jambena

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085