Amin'ny anaran'ny ray (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Aleonay misotro toaka gasy
Toy izay hamaky baiboly, hamadika taratasy.
Aleonay misotro toaka gasy,
Toy izay hamaky baiboly, hamadiky taratasy
Dia hanao hoe:

Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Maro mantsy ireo mpiha-tsara velatsihy,
Hampiseho lamaody no tena aton-dia.
Maro mantsy ireo mpiha-tsra velatsihy
Ny hampiseho lamaody no tena aton-dia
Dia mba mody hoe:

Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Aleonay vavaky tena malagasy
Toy izay irony vavaka noferina avy any an-dafy.
Aleonay vavaka tena malagasy
Toy izay ny vavaky ny vazaha be taim-parasy
Dia manao hoe:

Au nom du pera, et du masera, et du mopera, du sefo frera:
Amena! amena! amena!
Au nom du pera, et du masera, et du mamera, et du mopera:
Amena! amena! amena!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 13698
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ny Andrianatomponirevy
Daty : 21/12/2003 09:39
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119