Kiry (LEMARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho izay tsy mahafantatra ny ampitso
Tsy matahotra ny ho avy
Satria ny herintsaina no hitafiko,
Io no entiko miady
Ka na rivotra hifofo io, na orana hifafy
Izaho efa niomana  hiaritra ny mafy
Ka na mbola hisedra olana, hisy anao ankaso
Ho tsenaiko fahavononana io , tsy ho asiako ranomaso

Na rivotra hifofo io, na orana hifafy io
Izaho efa niomana  hiaritra ny mafy
Ka na mbola hisedra olana, hisy anao ankaso
Ho tsenaiko fahavononana io , tsy ho asiako ranomaso


Ref :
Marina fa miloloha lanitra aho
Tsy maintsy ho lena a!
Nefa ny ho kivikivy kosa anefa
Dia tsy ho azoko ekena
Marina fa mandiha tany aho
Tsy maintsy ho lavo
Nefa tsy atao hapitanondrika io na hampivarilavo

Mbola ho avy ilay mariana
Mampiposaka masoandro
Izay rehetra natsakaina
Hody ventiny io indray andro
Ka ilay tena hasambarana
No valin-kasasarana
Dia ho feno fifaliana
Ka tsy ho hanam-pitsaharana
Fa  hiadana

Mbola ho avy ilay mariana
Mampiposaka masoandro
Izay rehetra natsakaina
Hody ventiny io indray andro
Ka ilay tena hasambarana
No valin-kasasarana
Dia ho feno fifaliana
Ka tsy ho hanam-pitsaharana
Fa  hiadana

Mbola ho azoko ny fandresena
F’izaho tsy hihemotra na hienahena
Tsy hienahena izaho! (choeur)
Mbola ho hitako ny fanjakana
F’izaho tsy bandy mianahana
Mbola ho azoko ny fandresena a!
F’izaho tsy hihemotra na hienahena
Mbola ho hitako io o!!! (choeur)
Mbola ho hitako ny fanjakana a!
F’izaho mba te hanan-karena a!!

Izaho  tsy hafantatra ny ampitso
Tsy hatahotra ny ho avy
Satria ny herintsaina no hitafiko,
Io no entiko miady
Ka na rivotra hifofo io, na orana hifafy
Izaho efa niomana  hiaritra ny mafy
Ka na mbola hisedra olana, hisy anao ankaso
Ho tsenaiko fahavononana io, tsy ho asiako ranomaso

Na rivotra hifofo io, na orana hifafy io
Izaho efa niomana hiaritra ny mafy
Ka na mbola hisedra olana, hisy anao ankaso
Ho tsenaiko fahavononana io, tsy ho asiako ranomaso

Ref :
Marina fa miloloha lanitra aho
Tsy maintsy ho lena a!
Nefa ny ho kivikivy kosa anefa
Dia tsy ho azoko ekena
Marina fa mandiha tany aho
Tsy maintsy ho lavo
Nefa tsy atao hapitanondrika io na hampivarilavo

Marina fa miloloha lanitra aho
Tsy maintsy ho lena a!
Nefa ny ho kivikivy kosa anefa
Dia tsy ho azoko ekena  ô! Ô!
Marina fa mandiha tany aho
Tsy maintsy ho lavo
Nefa tsy atao hapitanondrika io na hampivarilavo

Mbola ho avy ilay maraina
Mampiposaka masoandro
Izay rehetra natsakaina
Hody ventiny io indray andro
Ka hatanjao aloha ny saina
Dia sikino indray ny akanjo
Fa tsy maintsy mbola ho tafa ianao
Raha miezaka isan’andro
Dia ilay tena hasambarana
No valin-kasasarana a
Dia feno fifaliana
Ka tsy hanam-pitsaharana a!!


Mbola ho azoko ny fandresena
F’izaho tsy hihemotra na hienahena
Mbola ho hitako ny fanjakana
F’izaho tsy bandy mianahana
Mbola ho azoko ny fandresena a!
F’izaho tsy hihemotra na hienahena
Mbola ho hitako ny fanjakana a!
F’izaho mba te hanan-karena a!!


Ref :
Marina fa miloloha lanitra aho
Tsy maintsy ho lena a!
Nefa ny ho kivikivy kosa anefa
Dia tsy ho azoko ekena ô! Ô!
Marina fa mandiha tany aho
Tsy maintsy ho lavo
Nefa tsy atao hapitanondrika io na hampivarilavo e!!

Marina fa miloloha lanitra aho
Tsy maintsy ho lena a!
Nefa ny ho kivikivy kosa anefa
Dia tsy ho azoko ekena ô! Ô! Oô!!
Marina fa mandiha tany aho
Tsy maintsy ho lavo
Nefa tsy atao hapitanondrika io na hampivarilavo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEMARA
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lemara
Daty : 10/03/2026 16:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2433