Ndao (LEMARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity no hambarako anao ka henoy tsara
F’izaho tsy hifandona aminao zaho ô!
Ny gidragidra sy ady tsy ilaina izany
F’izaho mialatsiny aminao zaho ô!
Ny fanenjehana sy fosafosanao
Atsaharo sao simba amin’izany e!e!
Fa olombelona mba mety ho diso ianao
Tsisy tonga lafatra izany e! e!

Ka mba manaova izay azo atao
Ka katsaho izay rehetra hahasoa anao sy hanasoavanao ny hafa
Tiko dia tiko raha izaho sy ianao
No hifanome tanana tsotra izao, dia mba samy ho tafa
Tsy misy mahavita tena na izaho na ianao
Ka aleo re isika tsy hifandao, hifamonjy amin’ny  sarotra
Fifanampiana no any andeha atao
Ka hitovy saranga izaho sy ianao
Dia mba samy ho finaritra

Ref (X2) : ‘Ndeha hatolory ny tanana
               Hanomboka izao dia mpinamana
                Ho Firaisankina no lalana
                Hanamafy ilay fihavànana
                ‘Ndeha hatolory ny tanana
                Hanomboka izao dia mpinamana
                Ho filamatra a!!

Ny fanenjehana sy fosafosanao
Atsaharo sao simba amzany e !!
Olombelona mba mety ho diso ianao
Tsy misy tonga lafatra izany e!!

Ka mba manaova izay azo atao
Ka katsaho izay rehetra hahasoa anao sy hanasoavanao ny hafa
Tiako dia tiko raha izaho sy ianao
No hifanome tanana tsotra izao, dia mba samy ho tafa
Tsy misy mahavita tena na izaho na ianao
Ka aleo re isika tsy hifandao, hifamonjy amin’ny  sarotra
Fifanampiana no any andeha atao
Ka hitovy saranga izaho sy ianao
Dia mba samy ho finaritra

Ndao ary isika hitambatra
Isika sy ianao no filamatra
Ka ny firaisankina no hasandratra
Izay manao ratsy tsy ho sambatra
Isika sy ianao dia voakasika
Koa aoka tsy ifampiolonolona
Ary izay tsy mitambatra fasika
Ka tongava saina ary re reiolona a !!

Ref (X2) : ‘Ndeha hatolory ny tanana
               Hanomboka izao dia mpinamana
                Ho Firaisankina no lalana
                Hanamafy ilay fihavànana
                ‘Ndeha hatolory ny tanana
                Hanomboka izao dia mpinamana
                Ho filamatra a!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEMARA
Vangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lemara
Daty : 10/03/2026 15:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0351