Mahereza (LEMARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ato anaty trano mirehitra jiro labozia kely
No anambarako ireo alahelo vokatry ny fery
Nandao ireo havana akaiky
Torovana toa nanjokaiky tsy nahaloa-peo
Ny rora ao ambava mafaitra
Ny tenako iray manontolo toa tsy hery

Mahereza ry namako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Mahereza ry havako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a

Izany ny fiainana eto ambonin’ny tany
Tsy ilaozan-tsento fa tsy maintsy misy ny tomany
Na izaho na ianao mbola ho any
Mila mandao ny ankany fa tapitra hatreo
Mifarana hatreo ny tantara a
Ka aleo indray mba ny mahereza no apetrako eo

Mahereza ry namako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Mahereza ry havako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a

Na izaho na ianao mbola ho any
Mila mandao ny ankany fa tapitra hatreo
Mifarana hatreo ny tantara a                                         ( x2)
Ka aleoindray mba ny mahereza no apetrako eo

Izany no fiainana ety
Ho tsofiko amin’izay ary ilay labozia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEMARA
Vangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lemara
Daty : 10/03/2026 16:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0315