Volana (LEMARA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Volana ô! Ilaozanao manao fangalapery ve ry VolanaSa ianao ilay tsy nomeko ny kintana ve akia no olana
Ny nandositra ahy nadeha nihery ve no vahaolana a!
Sa tsy te ihaino ny fitarainana sy fifonana a! Volana a!
Volana ô! Volana a!
Miverena fa mila ny hazavanao ny ankohonanao
Volana ô! Volana a!
Izaho mila miombona f’izay tsy nety dia hifonana
Volana ô! Na dia mafy ireo sedra avy aminao dia efa vonona aho
Moa mba tsapanao fa efa niezaka nanao izay sitrakao anie ilay olona
Ka na omeko anao aza ny kintana ianao tsy ionona a!
Ka ndrao ilay ny tenanao mihintsy indray no lasa sorona a! vao olana a!
Volana ô! Volana a!
Miverena fa mila ny hazavanao ny ankohonanao
Volana ô! Volana a!
Izaho mila miombona f’izay tsy nety dia hifonana
Naleonao nitety ny abakabaka nitety ny lanitra
Raha lolo dia nitety voninkazo ianao dia naka ny manitra
Tsy nijanona toerana iray ianao fa dia nifindrafindra
Tianao ho hita daholo Gasikara ka hatrany ampita
Volana ô! Volana a!
Miverena fa mila ny hazavanao ny ankohonanao
Volana ô! Volana a!
Izaho mila miombona f’izay tsy nety dia hifonana
Miverena ry Volana ô!
Fa miandry anao ny ankohonanao
Miverena ry Volana ô!
Fa izay tsy nety hifonana a!
Volana ô! Volana a!
Miverena fa mila ny hazavanao ny ankohonanao
Volana ô! Volana a!
Izaho mila miombona f’izay tsy nety dia hifonana
--------
Rohy: