Raha lavitra anao aho (Jocelyn RANJARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha lavitra anao aho, dia ho feno ahiahy
Raha lavitra anao aho, hanjakan’ny tahotra
Raha toa ka tsy eo ianao, hiady irery foana aho
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao. (indroa)

Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.

Fa tsara indrindra tokoa  izany hoe akaikinao
Soa tsy manam-paharoa ary fiainam-baovao
Tsy hamoizako anao raha izao tontolo izao
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.

Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao.

Tsaroako faly ny fo, rehefa miaraka aminao
Toa maivana ireo manjo, Tompo ô tohananao
Fa tsy mba manary ianao , na anaty ady sarotra
Aleoko ihany hitoetra, hitoetra eo anilanao...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jocelyn RANJARISON
Vangy : 6295
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rijatsif
Daty : 28/09/2005 17:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749