HONENO JESOSY Ô NY FOKO (Jocelyn RANJARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela IanaoTompo ô! no niantso ahy
Ka nandondona teo am-baravaran’ ny fo
Te hiditra Ianao anatiko ao
Inty aho hamaly hamoha ny varavarana

Honeno Jesosy ô! ny foko
Fa mila Anao tanteraka aho
Izay rehetra momba ahy dia foiko
Tongava re ao, manjakà

Honeno Jesosy ô! ny foko
Ataovy aho ho fonenanao
Fa maniry mafy anie aho e!
Jesosy ô! Avia re, ho fiainako

Nitaona ahy Ianao hanantona Anao
Fa te hitoetra honina ao am-poko ao
Tsy Ianao no mila ahy f’izaho no mila Anao
Tsy hampiandry intsony aho
Tompo ô! F’izao dia izao

Jesosy ô! Aiza Ianao ?
Jesosy ô ! Miantso Anao aho
Jesosy ô ! Mila Anao tanteraka aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jocelyn RANJARISON
Vangy : 3333
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zokelia
Daty : 07/03/2018 11:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0964