Ny hira (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hirahira no aoka hatao resadresaka
fa lazaina ho manana endriny betsaka,
fa na aiza na aiza eto ambonin’ny tany
dia tsy maintsy ahitana izany hoe hira izany.
Na lanonana izany na.hoe fahoriana,
ao ihany ny hira fa tsy azo ariana,
fa ny reny mampiasa azy raha ampatory
ireo menaky ny ainy sembanin’ny sory !
Fa ny hira dia fcix manana hery tsy hita
ka mitondra ny vetson’ny fo hiampita
mba haneho fitiavana sy fanirina
amin’olona iray natokana sy nofidiana.
Fa ny hira tsy mahay mifidy antoko,
Eny, tsy mba hainy ny manavaka foko,
ka ny hira kaloin’ny mainty any ho any,
dia vetsoin’ny fotsy raha sendra ka tiany izany.
Io no teny iray iraisam-pirenena,
tsy mifidy na mainty na fotsy na mena,
ka raha misy hiira iray azony tononkira.serasera.org ikambanana
dia hiray ny feo ary hifandray ny qmdv tanana.
Henri RATSIMBAZAFY 1966
dgbftmll
fa lazaina ho manana endriny betsaka,
fa na aiza na aiza eto ambonin’ny tany
dia tsy maintsy ahitana izany hoe hira izany.
Na lanonana izany na.hoe fahoriana,
ao ihany ny hira fa tsy azo ariana,
fa ny reny mampiasa azy raha ampatory
ireo menaky ny ainy sembanin’ny sory !
Fa ny hira dia fcix manana hery tsy hita
ka mitondra ny vetson’ny fo hiampita
mba haneho fitiavana sy fanirina
amin’olona iray natokana sy nofidiana.
Fa ny hira tsy mahay mifidy antoko,
Eny, tsy mba hainy ny manavaka foko,
ka ny hira kaloin’ny mainty any ho any,
dia vetsoin’ny fotsy raha sendra ka tiany izany.
Io no teny iray iraisam-pirenena,
tsy mifidy na mainty na fotsy na mena,
ka raha misy hiira iray azony tononkira.serasera.org ikambanana
dia hiray ny feo ary hifandray ny qmdv tanana.
Henri RATSIMBAZAFY 1966
dgbftmll
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Henri RatsimbazafyHits : 3031
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 24/02/2002 20:30
