TSY MENDRIKA (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mendrika ahy mpanompo
ny atao hoe zanakao
kanefa ianao ry Tompo
no miantso ahy izao

Izay manatona ahy
tsy ho laviko hoy ianao
dia tamy aho ka sahy
manantona anao.

Ianao no madio
mba diovy aho re
Ianao no marina
mba hamarinp aho re
Ianao no masina
mba hamasino aho re.

Tsy mendrika hitsimpona ny latsaka
amin’ny latabatrao aho
kanefa hoy ianao:« izay manatona ahy»
tsy hom laviko mihitsy

Noho ny teninao
dia sahiko ny manatona.

Mba diovy aho re
mba hamarino aho re
mba hamasino (aho) re

mba diovy, hamarino
hamasino re !

Tonony: Rev. Rabemanahaka W.
1972
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 3986
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 06/11/2003 16:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748