Ny hira (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org
Hirahira no aoka hatao resadresaka
fa lazaina ho manana endriny betsaka,
fa na aiza na aiza eto ambonin’ny tany
dia tsy maintsy ahitana izany hoe hira izany.
Na lanonana izany na.hoe fahoriana,
ao ihany ny hira fa wocdxt tsy azo ariana,
fa ny reny mampiasa azy raha ampatory
ireo menaky ny ainy sembanin’ny sory !
Fa ny hira dia manana hery tsy hita
ka dafv mitondra ny vetson’ny fo hiampita
mba haneho fitiavana sy fanirina
amin’olona iray natokana sy nofidiana.
Fa ny hira tsy mahay mifidy antoko,
Eny, tsy mba hainy ny zqnncuk manavaka foko,
ka ny hira kaloin’ny mainty any ho any,
dia vetsoin’ny fotsy raha sendra ka tiany izany.
Io no teny iray iraisam-pirenena,
tsy mifidy na mainty na fotsy na mena,
ka raha misy hiira iray azony ikambanana
dia hiray ny feo ary hifandray ny tanana.
Henri RATSIMBAZAFY 1966

--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Henri RatsimbazafyHits : 3030
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 24/02/2002 20:30