Hodian-tsy hita ve ? (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainana efa hita,
niarahana niampita,
ny be ’zay efa vita
HODIAN-TSY HITA VE ?

Ny toky ’zay nomena
ny dina nifanekena
ny mafy noresena
HODIAN-TSY HITA VE ?

Ny rakitry ny omaly
niarahana nifaly,
ny sento nifamaly
HODIAN-TSY HITA VE ?

Ny ora-pifaliana,
ny toera-nitosiana,
ny andro-piafiana
HODIAN-TSY HITA VE ?

Ref.
Kanefa ataoko ahoana
no hikosoka sy hanafoana,
ny zava-drehetra efa nisy
eny sarotra izany indrisy


Henri RATSIMBAZAFY 1968
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 5115
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/02/2002 00:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771