Sao variana (Groupe Feo mitaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Aza variana manjeny ny andro lava
    Ny fiainana miha sarotra
    Mba sainontsaino ny mety hiafarana
    Sao nenina raha tonga ny antsony
    Aza variana manjeny ny andro lava
    Ny fiainana miha sarotra
    Mba sainontsaino ny mety hiafarana
    Sao nenina raha tonga ny antsony

Ref: (Ny fiainana eto anie ka miharatsy maizina feno fitaka
         Fitavan-tena hatrany no manjaka lazaiko anao tsy azo ianteherana
         Jesosy Tompo efa nanomana fiainantsoa Edena vaovao
         Homena izay manoa sy mankatoa ka mino an’i Jeso no mendrika                                             hiditra ao) x2

2. Fantaro anie fa mbola misy andro
     Nomena anao hibehana
     Araraoty ary izany mba tsy ho fandatsana
     Rehefa maneno ny trompetra farany
     Fantaro anie fa mbola misy andro
     Nomena anao hibehana
     Araraoty ary izany mba tsy ho fandatsana
     Rehefa maneno ny trompetra farany

Ref: (Ny fiainana eto anie ka miharatsy maizina feno fitaka
         Fitavan-tena hatrany no manjaka lazaiko anao tsy azo ianteherana
         Jesosy Tompo efa nanomana fiainantsoa Edena vaovao
         Homena izay manoa sy mankatoa ka mino an’i Jeso no mendrika                                             hiditra ao)

Sao variana " Groupe Feo mitaona"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Feo mitaona
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 16/06/2026 15:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0479