Ampoky ny soa (Groupe Feo mitaona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tsy mahalala aza aho, ny fantatro ny toky dia izaoJesosy mahalala, ny mahasoa ahy sy ianao
Izy no rano velona mahatony ny hetahetanao
Ka ny fahalemenao, soloiny hery vao.
Fantany fa mpanota tsy mendrika
Nefa tsy hahasakana ny fitiavany anao izany
Tsy sasatra Izy ny mandodona ka maniry ny hampandrosoinao
Hanjaka hitoetra ao anatinao
Ref: Tiako ny miaraka amin’i Jesosy tia
Mpamonjy mahatoky, mitantana ahy manoro ny dia
Ny andro-pahoriana, manjary mody fifaliana
Ka hionona ny foko Harovany sy ampoky ny soa
Na tsy mahalala aza aho, ny fantatro ny toky dia izao
Jesosy mahalala, ny mahasoa ahy sy ianao
Izy no rano velona mahatony ny hetahetanao
Ka ny fahalemenao, soloiny hery vao.
Aoreno mafy ny finoanao
Jesosy Tomponao, handray an-tonana ny fiainanao
Matokia, tolory Azy ny fonao
Ka mijoroa ianao, ka andao hanandratra izao hira izao
Ref: Tiako ny miaraka amin’i Jesosy tia
Mpamonjy mahatoky, mitantana ahy manoro ny dia
Ny andro-pahoriana, manjary mody fifaliana
Ka hionona ny foko Harovany sy ampoky ny soa
Tiako ny miaraka amin’i Jesosy tia
Mpamonjy mahatoky, mitantana ahy manoro ny dia
Tena sambatra aho Jesoa raha miaraka aminao
Tiako ny miaraka amin’i Jesosy tia
Ka n’aiza hitondranao, tsilovy hatrany ka mba hazavao
Mpamonjy mahatoky, mitantana ahy manoro ny dia
Tena sambatra aho Jesosa raha miaraka aminao
Ny andro-pahoriana, manjary mody fifaliana
..Ka hionona ny foko Harovanao sy ampoky ny soa
"Ampoky ny soa" Feo mitaona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Groupe Feo mitaonaVangy : 11
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 09/06/2026 14:23