Ny asam-pamonjeny (GPl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nisy tsy nahalala iny lehilahy iny e!
fa izy tsy mba nangalatra
nefa niharan’ny herisetra sy
ny fitsaram-bahoaka
ka nanaraka hatr@ ainy

Noho ny otako sy ny otanao
No nanolorany ny tenany ho faty
Izay mino ny asam-pamonjeeny
Dia ho velona mandrakizay (2)

Niaretany anie ny sazy
Izay tokony ho anao
Aza atao tsinontsinona
Io avonavonao io
dia tsy mahavonjy anao
Atsaharo sao hanenenana

Noho ny otako sy ny otanao
No nanolorany ny tenany ho faty
Izay mino ny asam-pamonjeny
Dia ho velona mandrakizay (2)

Tsy hoe sanatria ka moka ny tompo
Ka vonovonoina @ tsy misy dikany
Fa misy dikany ny rà ‘zay nalatsany
ho famonjena mba tsy ho very e!

Kristy maty tao Kalvary
Izany midika porom-pitia
Koa izay mifikitra ity tany ‘ty
Maty ho potraka eo izy e!

Noho ny otako sy ny otanao
No nanolorany ny tenany ho faty
Izay mino ny asam-pamonjeny
Dia ho velona mandrakizay (2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GPl
Vangy : 828
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 29/01/2018 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703