Aza avela (Fy Rasolofoniaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataonao izay nataonao
Ny hamonjy ahy no tanjonao
Ny hamonjy ahy no tanjonao

Nozarainao izay tsapanao
Nefa toa verivery kely aho
Toa verivery kely aho.

Tsy haiko akory ary aho na mbola mino
Izay rehetra ezahanao lazaina.
Izaho ty 'nie ka mora manadino
Ka toa velombelona eny aho fa tsy miaina.

Miankina amiko hoy ianao,
Noho ny amiko fa tsy ny ezakao,
Noho ny amiko fa tsy ny ezakao.

Toa tsy azoko 'zay lazainao
Ka midona amin'ny rindrina aho
Midona amin'ny rindrina aho.

Fa tsy haiko akory ary aho na mbola mino
Izay rehetra ezahanao lazaina
Izaho ty anie ka mora manadino
Ka toa velombelona eny aho fa tsy miaina.

Indro re ny masoko banjino
Tsofy an-tratrako ao indray ny aina
Ny fahamarinanao no aoka hanadio
Sy hanavao ny saina

Fa tsy haiko akory ary aho na mbola mino
Izay rehetra ezahanao lazaina
Izaho ty 'nie ka mora manadino
Ka toa velombelona eny aho fa tsy miaina.

Indro re ny masoko banjino
Tsofy antratrako ao indray ny aina
Ny fahamarinanao no aoka hanadio
Sy hanavao ny saina


Tsy hoe hiala akory aho
Raha miady ny any anatiko any
Fa mandeha moramora aho
Mandroso miadana mankany aminao
Ianao mitantana ahy ihany ary tsy mandao
Na tsy tsapako aza izany.

Tsy hoe hiala akory aho
Raha miady ny any anatiko any
Fa mandeha moramora aho
Mandroso miadana mankany aminao
Ianao mitantana ahy ihany ary tsy mandao
Na tsy tsapako aza izany.

Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fy Rasolofoniaina
Vangy : 1303
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 30/01/2023 20:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114