You are here: home > Tononkira > Fy Rasolofoniaina

Ry Fitiavako (Fy Rasolofoniaina)

RY FITIAVAKO


Tsisy kanto, tsisy tsiro azo oharina aminao
Vaky vava izay nahita sy nandre ny lazanao
Izaho mahalala fitiavana lalina noho ny ranomasina
Fitiavana mamy lavitra noho ny tantely amin’ny molotra
Izaho mahalala fitiavana lalina tsy mivadibadika
Fitiavana marina, fitiavana marina

Ry fitiavako!
Endre ny hatsaranao
Ny fitiavako dia
Any amin’izay misy anao

Fatiantoka izao rehetra izao raha oharina amin’ny fahalalana anao
Ny ahy ny aiko, na oviana, tsy ho an’iza afa-tsy ho anao
Izaho mahalala fitiaTsiky dia ampyvana lalina noho ny ranomasina
Fitiavana mamy lavitra noho ny tantely amin’ny molotra
Izaho mahalala fitiavana tsy mivadibadika
Fitiavana marina, fitiavana marina

Ry fitiavako!
Endre ny hatsaranao
Ny fitiavako dia
Any amin’izay misy anao

Amiko ny fahavelomanao
No atao hoe fiainana, eny ianao, ianao
Tsy ampiana zavatra hafa fa ampy tena ampy
Ho fanavotana ahy ianao, ianao

Fa tsy misy tsara, tsy misy ambony
Tsy misy mendrika noho ianao

Ry fitiavako!
Endre ny hatsaranao
Ny fitiavako dia
Any amin’izay misy anao



REKO FY AND HIS BAND

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fy Rasolofoniaina
Mpamaky : 243
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : nyaroandriamihajarivo
Tamin'ny : 04/11/2019 09:41:32
ID : 12185

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo