You are here: home > Tononkira > Fy Rasolofoniaina

HARAMBATOKO (Fy Rasolofoniaina)

1) Tsy voatery hatanjaka foana nysandriko
Tsy voatery hijoro foana koa ny lohaliko
Na koe hoe tsy maintsy hazava foana ny lalàko
Raha malemy aho....

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao

2) Tompo ô! ny akaikinao no katsahiko
miamangina ireo tafiotra ato anatiko
Misy fihiram-baovao mamenotononkira.serasera.org ny foko
Dia hihira aho (x2)

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao
......Ampy ahy Ianao,fialofako
        Manodidina ahy, fianteherako (x4)

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fy Rasolofoniaina
Mpamaky : 4727
Mpakafy : 5 Ankafizo
Nampidirin'i : joycehinah
Tamin'ny : 07/12/2018 18:51:38
ID : 11202

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo