Havaozy (Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Havaozy ny Fo, ry Tompoko
Fa mpanota izay, tsy mendrika
Na dia hiantso ny anaraNao
Fa noho iana, izay nijaly
Dia tsapako ankehitrio, fa fitiavana sarobidy no
Natolotrao ahy Jeso, ny raNao soa mpanavao
No hiriako izao, hiboiboika ato anatiko
(miverina in-2)

Ref : Havaozy ny fo, havaozinao Jeso
Ny loto hatramin'ny taloha, dia mba sasao ny raNao soa
Havaozy ny fo, havaozinao Jeso
Ny tena sy ny fanahiko, mba havaozinao Jeso.

2- Havaozy ny fo, ry Tompoko
Omeo hery, fahendrena koa
Hampianaro, mba ho mpanoha
Ny ahiahy rehetra, levony koa hatrizao
Omeo ahy ny Fanahy Masina, sy ny fahasoavaNao
Ny ranao soa mpanavao no hiriako izao, hiboiboika ato anatiko
(miverina in-2)

Ref : Havaozy ny fo, havaozinao Jeso
Ny loto hatramin'ny taloha, dia mba sasao ny raNao soa
Havaozy ny fo, havaozinao Jeso
Ny tena sy ny fanahiko, mba havaozinao Jeso.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF)
Vangy : 212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mahx03
Daty : 23/10/2025 12:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0185