Taom-baovaon'ny tafasaraka (Fanjandranomasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao maraina izao ny taratasinao mirary taom-baovao mamy
Lavitra ianao ka ny soratrao no manolotra izany

Réf : Fanja, na tsy eo imasoko aza irony endrikao
Fanja, ho ataoko fahasambarana ny taratasinao

Ireo ny zanantsika faly misariaka miantso ny anaranao
Izaho kosa iky, miezaka mitsiky manoroka ny sarinao

Réf ...

Mivavaka izahay ho anao malalanay f'izao taom-baovao izao
Ho to ny faniriana ho sambatra ho zina, ho tody soa aman-tsara ianao

Réf ... (*2)
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 13/07/2021 19:18)
Efa misy ao ity fa nofafaiko koa
harymbola ( 14/07/2021 10:01)
Io taombaovaon'ny tafasaraka io mihitsy no lohatenin'io hira io. Raha jerena ny disque dia io no misoratra eo, ireo izay nanao cover aty aoriana koa dia io no lohateny noraisiny, rehefa jerena ny you tube dia manamarina izany koa. Noho izany aleo io ihany no lohateniny fa io no izy.
Misaotra indrindra amin'ny fiarahamiasa
harymbola ( 14/07/2021 10:03)
https://www.youtube.com/watch?v=889SzvtAFWE

io ny lien manamarina ireo voalazako ireo
hery ( 14/07/2021 19:38)
Ok misaotra anao. Novaiko izany ny lohatenin'ilay efa ato:
https://tononkira.serasera.org/hira/fanjandranomasina/taombaovaonny-tafasaraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanjandranomasina
Vangy : 754
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : harymbola
Daty : 12/07/2021 16:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1266