Fahazazana (Fanjandranomasina)

Tsaroako foana ankehitriny
Ireo andro mamin’ny fahiny
Niangotingoty ombieny ombieny
Teo anilan-dray sy reny

Satriko raha azo atao
Mbola hiverina aminao
Ry andro soa nihantahantana
O ry androm-pahazazana

Angolangola, tambitamby
Hirahira sy lalao
Safosafo manan’amby
Samy hita taminao

Satriko raha azo atao
Mbola hiverina aminao
Ry andro soa nihantahantana
O ry androm-pahazazana
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/fanjandranomasina/fahazazana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanjandranomasina
Vangy : 1212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/02/2015 23:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0962