You are here: home > Tononkira > Fanjandranomasina

Taom-baovaon'ny tafasaraka (Fanjandranomasina)

Izao maraina izao ny taratasinao
Mirary taombaovao mamy
Lavitra ianao ka ny soratrao
No mba manolotra izany

Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja , ho ataoko fahasambarana  ny taratasinao

Ireo ny zanantsika faly misariaka
Miantso ny anaranao
Izaho kosa iky, miezaka mitsiky
Manoroka ntononkira.serasera.orgy sarinao

Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja , ho ataoko fahasambarana ny taratasinao

Mivavaka izahay ho anao malalanay
F’izao taombaovao izao
Ho to ny faniriana ho sambatra ho zina
Ho tody soa aman-tsara ianao

Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja, ho ataoko fahasambarana  ny taratasinao

Mpihira : Fanjandranomasina
Mpamaky : 2068
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 10/02/2015 22:13:34
ID : 7151

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo