Fantatrao ve? (Edena Vaovao)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fantatrao ve fa ilay jesosy maty ho anaoDia mbola mifona ho antsika hatramizao
Ka anjarako sy anjaranao ny mandinika izay tokony atao
Fa fitiavana tsy misy toy izao
(duo) olona iza hoy ianao no ahavita toy izao
Asakasakao diniho izay tokony atao
F'izay fatram-pakafy ity fiainana eto ity
Dia ny helo no anjara lovany
2. Fantatrao ve fa izao tontolo misy anao izao
Fahoriana sy famoizam-po no entiny ho anao
Ka anjarako sy anjaranao ny mandinika izay tokony atao
Ny rendrarendran-tany anie tsy mba ho lany
(duo) Asa raha mba fantatrao fa jesosy miandry anao
Izy no jereo sy hanankino ny fonao
F'izay fatram-pakafy ity fiainana eto ity
Dia ny helo no anjara lovany
3. Fantatrao ve fa ilay jesosy maty ho anao
Mbola hiverina ka saino dieny izao ny aminao
Fa amin'izay fotoana izay maro no ho tavela ka dia ho may
Hidradradradra hoe vonjeo vonjeo 'zahay
(tsisy azo atao)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Edena VaovaoVangy : 1412
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : phy_ayna
Daty : 11/09/2018 17:22