Mba saino (Edena Vaovao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba saino anie ny namonjen'i Jesosy anao,
fa maty Izy hanananao 'lay fiainan-tsambatra ;
natolony ho anao tsy misy tambiny
ny tenany ho anao malalany.

Izaho sy ianao nantsoiny mba hitambatra ho iray ,
nantsoiny koa hizara ilay tena fitiavana.
Raha mety ianao handeha hifampitantana ,
haneho indray ilay fifankatiavana.

REF :
K'aza manamafy fo, fa anio miantso anao Jesoa ;
sao dia 'zao hira izao no toriteny farany ho anao ,
fotoana mety anio mba hibebahanao

Mba saino anie ny bitsiky ny Tompo anatinao :
mba hanoloranao ny tena, fo, fanahinao
Tsarovy fa safidy tsy terena ka
raha sitrakao omeo azy ny fonao

REF
K'aza manamafy FO....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Edena Vaovao
Vangy : 732
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kiloha
Daty : 18/03/2022 21:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778