Fantatrao ve? (Edena Vaovao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fantatrao ve fa ilay jesosy maty ho anao
Dia mbola mifona ho antsika hatramizao
Ka anjarako sy anjaranao ny mandinika izay tokony atao
Fa fitiavana tsy misy toy izao
(duo) olona iza hoy ianao no ahavita toy izao
Asakasakao diniho izay tokony atao
F'izay fatram-pakafy ity fiainana eto ity
Dia ny helo no anjara lovany

2. Fantatrao ve fa izao tontolo misy anao izao
Fahoriana sy famoizam-po no entiny ho anao
Ka anjarako sy anjaranao ny mandinika izay tokony atao
Ny rendrarendran-tany anie tsy mba ho lany
(duo) Asa raha mba fantatrao fa jesosy miandry anao
Izy no jereo sy hanankino ny fonao
F'izay fatram-pakafy ity fiainana eto ity
Dia ny helo no anjara lovany

3. Fantatrao ve fa ilay jesosy maty ho anao
Mbola hiverina ka saino dieny izao ny aminao
Fa amin'izay fotoana izay maro no ho tavela ka dia ho may
Hidradradradra hoe vonjeo vonjeo 'zahay
(tsisy azo atao)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Edena Vaovao
Hits : 1301
Likes : 0 Like
Created by : phy_ayna
Date : 11/09/2018 17:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754