Tsy maintsy tafita (Edena Vaovao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- N'inon'inona zava-manjo
mety handreraka ny fo
dia tsarovy tsara ka ataovy an-doha,
fa ny manana an'Ilay Kristy
tsy mba miady irery ety fa manana andry iankinana:
mamonjy sy manafaka.
Refrain: Matokia ny Tompo fa
Izy no miahy ny lalanao
tsy maintsy ho tafita izany dia
rehefa miaraka Aminy. N'inona ady atrehanao:
eso, latsa, fanenjehana
Jesosy no hiady ho anao
f'ianao kosa hangina...
2- Fanomezana ho ahy sy ho anao
amin'izao anio izao dia ilay famonjena, fahafahana.
Adinoy ny olam-piainana ety,
ka banjino Ilay Kristy
fa fifaliana, fiadanam-po
ny miaraka amin'ny Tsitoha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Edena Vaovao
Vangy : 1333
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : phy_ayna
Daty : 11/09/2018 17:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715