Fo vaovao (Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Mba havaozy ny foko ry Jesosy, ka diovy sy sasao ireo loto
Faniriako ny hanana fo madio, fo madio toy ny Anao
Fa efa leo ny setrom-pahotana, vonona aho ny ho isan'ny mpanomponao
Ny amiko rehetra atolotro ho Anao, satria FO VAOVAO no tiako hiainana izao

Réf:
Omeo fo madio, fo mitia sy fandeferana aho ry Ray
Hahaizako mitia, toy ny nitiavanao anay
Ireo ditra sy hadalana izay vitako hatrizay
Dia neniko Ray, FO VAOVAO no hiainako izao

2.
Iriko Ianao mba hitarika ahy, hanazava ny lalana hombako
Maro ireo fandrika mandavo ahy, mampisaraka Aminao
Fa efa leo ny setrom-pahotana, vonona aho ny ho isan'ny mpanomponao
Ny amiko rehetra atolotro ho Anao, satria FO VAOVAO no tiako hiainana izao

Réf: Omeo fo madio................................

                                                                                            Chorale F.F.V
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona
Hits : 59
Likes : 0 Like
Created by : Miie
Date : 04/11/2025 17:10
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0197