Soa fa teo Ianao (Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Ny hankanton'ny voahary maro noharinao
Dia mampiseho fa Tompo tsara Ianao
'Nefa mihoatra ireo ny fitiavanao ahy
Notoloranao saina, fo, fanahy

Réf: uafiqry
Natolotrao ilay Zanakao
Nanavotra izao tontolo izao
Soa fa teo Ianao ry Rainay Tsitoha ô
Fa lehibe tokoa ilay fitiavanap

2.
Izaho izay mpanota indro novonjenao
Tsy nafoinao ho trotraka ety
Novidianao lafo tamin'ny rànao soa
Ka hidera Anao aho, hankalaza Anao

Réf : Natolotrao ilay Zanakao.........

3.
Ny androko sisa izay hiainako ety
Dia atolotro Anao ry Tompo be fitia
N'inona hiantra, n'inona hiseho
Vonona aho Jesosy ô, hitia sy hanompo Anao

Réf : Natolotrao ilay Zanakao..............

ou ou ou ou ilfb ooouuuu (oouu)
Soa fa teo Ianao

   tononkira.serasera.org                                                                vybddy                               Chorale F.F.V

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Feon'ny Fahazavana Vontovorona
Vangy : 250
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Miie
Daty : 04/11/2025 16:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471