Fa Fitiavana ihany (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitambesatra ny ziogam-paharatsiana
Rakotra haizina koa ny tany
Tonga Ianao nivesatra ilay hazofijaliana
Fitiavana ihany no anton’izany
Tsy nihatra taminao ny hakiviana
Indrindra fa ny ventin-dranomaso
Nozogainao ilay tanam-bokovoko fanarabiana
Natopatopan’ny onjan’ny ankaso

Aza mitomany na mangoraka ianareo
Fa ny fahotanareo ihany no jereo
Nosotroinao tsy fidy(ny)
Lay kapoaka iray mangidy
Niaretanao izay niatra
Ireo kapoka tononkira.serasera.org sy ireo yzax ratra
Kaloiko ho Anao
Tompo ô ! hira tokana an-tany
Fa fitiavana  ihany
Fitiavana no xbjjq anton’izany

Tiana mantsy Ianao ô ry Tompo malala xhwel ô
Aza ilaozanao aho fa mila ho adala
Matokia (x2) izany havako izany
Fa ny rà masinao tsy hiraraka an-tany

A/C : Nirina RANOELISON (Ni)
Nampiditra: Lee Tsiry Belouh

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 397
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 586b
Daty : 17/03/2026 15:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0335