Hira Faneva (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injay misy feo miantso any ambony
Injay misy feo miantso mafy any ambony , feo miritsoka manainga sy mitaona
Manakohako e, hatraiza hatraiza hoe mifohaza ry sakaiza
Mifohaza, mifohaza , mifohaza ry sakaiza ( Indroa )
Kristy ô , indreto izahay mandre ny antsonao , manolo-tena manontolo
Vonona ho maritioranao
Ho miaramilanao hiaro ,ny mandan’ny fiangonana
Hanambara sy hanefa izay rehetra sitrakao , izay rehetra sitrakao
Mba tsofy rano , tsofy rano , ho tafika mahery fo
Mba tsofy rano , tsofy rano , ny Antsan’ny Fo Masin’i Jesoa
Ka ny hazofijaliana no faneva harangaranganay
Ka ny rà nalatsakao ,izay no vahatry ny aina
Ka hihoby hihira hiventy soa ny antsan’ny fo masin’i Jesoa ( Indroa )

Ho raisinay ny teny mamin’ny baiboly
Ho raisinay ny teny mamin’ny baiboly miaraka amin’ny fanahy masina
Ho fiadiana aranga ho entinay mandresy ny voàry manontolo
Izay santatry ny lanitra
Mirosoa , mirosoa , fa i Kristy no filoha
Mirosoa , mirosoa , i Kristy no mitari-dalana
Ka na rivotra hifofo, tsy mba isika no hihemotra
Ka na orana hifafy , tsy mba isika no hiato
Fa vao mainka hijoro hahery fo ny Antsan’ny Fo Masin’i Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Vangy : 326
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 20/12/2021 21:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1872