Inty aho (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô, inty aho ‘lay maditranao,
Lavo sy potraky ny ota natao,
Ka naratra mafy fa nandao anao,
Mifona, mivalo aho Ray.

Neniko ny nania, niala anao,
Nandika didy sy fitsipikao, Ray
Nanaram-po fa tsy am-balanao,
‘Nty aho, miverin’indray.

Ry Raiko ô, inty aho
Miverina aminao
Voadona mafy fa lavitra anao,
Ka raiso Ray ô raha toa sitrakao
Mba raiso ny fifonako aminao
Tsy hanindroa, tsy hanintelo tokoa
Tena fay ka miova fo.

Jesosy ô, avy aho ‘lay zandrinao,
Very fa tsy mba nanaraka anao,
Ka nahita angano fa tsy anilanao
Inty aho, mimpody indray ‘zao.

Difotry ny ota fanao hatrizay
Fatoran-tsatana ka mahamay
Ory sy valaka, resy ve zahay?
Jesosy ô, vonjeo, ampy izay.

Jesosy ô, inty aho
Fa manana anao
Maniry indrindra ny hanjakanao
Ory ny fiainako lavitra anao
Ka raiso ny fifonako aminao (aminao)
Tsy hanindroa, tsy hanintelo tokoa
Tena fay ka niova fo.

Ry Raiko ô, inty aho
Fa manana anao
Maniry indrindra ny hanjakanao (hanjakanao)
Ory ny fiainako lavitra anao (ory ny fo, ory tokoa, Ray ô)
Mba raiso ny fifonako aminao (aminao)
Tsy hanindroa, tsy hanintelo tokoa (tsy hanindroa, tsy hanintelo, Ray ô)
Tena fay ka niova fo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 6358
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Renj
Daty : 18/10/2013 20:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0976