You are here: home > Tononkira > AMPIFITIA

FIFONANA (AMPIFITIA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ampifitia/fifonana

Eto aminao no itondrako ny fifonako Ray o!
Eto anatrehanao no amborahako ny otako
fa diso aho, nanota aza ,nandika ny didinao

Ny foko no triariko, fa tsy ny akanjo na fitafiko Ray o!
Ny foko torotoro no atolotro fa tsy ny volako
Sasao re, diovy aho, ry Andriamanitro


Ref:
Mba mamindra fo amiko Andriamanitra o! nohon'ny fahasoavanao
Ary araka ny habe ny fiantranao,de vonoy ny fahadisoako
Sasao madio aho ho afakeloka
diovy aTsiky dia ampyho ho afapahitana
Fa taminao dia taminao no nanotako ny adalako maro lafy ka ifonako
fa taminao dia taminao no nanotako
ary izay ratsy teo imasonao no nataoko

Fa neniko Tompo o,ny tsy ny enoko ny teninao
Halako tsotr'izao ny nandikako ny didinao
Fa nandratra ahy, nanimba aza, ka ifonako


Mba amorony fo madio aho Andriamanitro
Ary ampodio amiko ny fifalian'ny famonjenao
Tohano aho,tantano amin'ny zao sisa izao

Ref
Mba mamindra fo Andriamanitra o!...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMPIFITIA
Mpamaky : 2870
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : KaDi97
Tamin'ny : 22/03/2016 21:45:50
ID : 8171

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo