You are here: home > Tononkira > AMPIFITIA

Tokim-panompoana (AMPIFITIA)

Raiko ô, izaho misaotra Anao
Fa mba nofidianao ho  mpiasanao
Ka na dia tsy mendrika aza aho
Nomenao anjara hanao ny asanao.
Z’inona aho Andriamanitro ô
Z’inona moa aho no mba tinendrinao
Mpanota aho tsy mendrika tokoa
Nefa indro fa toloranao ny soa


Fiv :
Ka ambarako eto izao
Ny fahafoizan-tenako hanompo Anao Raiko
Tsy handrarak’ilo mby an-doha
Fa tena hanao ny asanao tokoa.
Na ny saiko, na ny aiko,
Ny androko, ny hareko, ny fanahiko Jesoa.
Foiko  ary hoentiko manao
Sy matononkira.serasera.orgnefa izao fanompoako izao.


Jesoa ô ekeko eto izao
Ny ho fitaovana eo am-pelantananao
Hitoriana ny famonjenao
Hanitarana ny ambaindainao
Hofadiako izany hoe hanao
Zava-mifanohitra amin’ny baikonao
Na hitondra ny fiangonanao
Hanao ny fanaon’izao tontolo izao

Ray Tsitoha ô izay iriko
Dia ny fanahinao hambomba ahy
Ka na asa atao na fivoriana
Tsy haroaroako faharatsiana
Jesoa ô mba tovy amiko fa
Ianao tsy hahafoy na hahasaraka ahy
Raha Ianao no miaraka amiko tokoa
Tsy misy asa tsara izay tsy efako.

Hevitra mandeha

sylvoalias (24/07/2020 13:54:00)

Misaotra t@'le tonon-kira fa tena mamoha ny fo sy mampihiratra ny saina amam-panahy tokoa . Misaotra indrindra koa ny antoko mpihiran'i Ampifitia namadika ny tono-kalo ho hira fanentanana hampifoha ny saina ,fanahy renokin'ny torimaso sy variana @'ny fiainan'zao tontolo.
Andriamanitrin'ny fiadanana anie homba sy hitahy antsika rehetra.
Misaotra tompo o...

jamesbond (09/07/2016 07:01:20)

Raha ny maha-olombelona dia tsy misy iray akory afaka hatao ho mpanompo na irak'i Kristy kanefa Izy nifidy ny adala amin'izao tontolo izao mba hahamenatra ny hendry. Raha nofidian'ny Tompo hianao hanao ny asany n'inona n'inona karazana fanompoana hiandraiketanao dia tadidio fa mpanompony ianao efa nofidiany ka tsy mba hariany. Angataho mandrakariva ny Fanahy Masina hanampy anao @ fanantanterahana izany fa aza mandeha amin'ny herin'ny tenanao sy ny fahalalanao. Mahereza daholo e

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : AMPIFITIA
Mpamaky : 11196
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : Lejoba
Tamin'ny : 26/08/2008 12:28:02
ID : 5334

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo