You are here: home > Tononkira > AMPIFITIA

Valin-teny (AMPIFITIA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ampifitia/valin-teny-1

Manoratra ho anao aho
Ry ilay olona iny e
Fa ny fiainako tontolo
An'i Jesoa daholo
Zay ahy rehetra
Azy koa tsisy fetra
Ka entiko manompo
An'Andriamanitro

Ref:
Fa raha mby hoe
Tia ahy ianao, dia izao;
Tsy hiaraka isika, raha toa;
Tsy mbola an'i JESOSY ianao; ka azafady
Ny ahy mantsy
Fitia varo-maty ho doria
Fa tsy sangisangy
Ka raha toa
Ianao tsy tia sy hanompo Azy, dia mampamangy

Reko isan'andro izao
Ireo toky omenao
Hoe ianao tia ahy
Am-po saina fanahy
Sarotra ny mino
Teny mora adino
Raha toa ilay fitia
Tsy anjakan'i Kristy

Fa raha mby hoe
Tia ahy ianao, dia izao;
Tsy hiaraka isika, raha toaTsiky dia ampy;
Tsy mbola an'i JESOSY ianao; ka azafady
Ny ahy mantsy
Fitia varo-maty ho doria
Fa tsy sangisangy
Ka raha toa
Ianao tsy tia sy hanompo Azy, dia mampamangy

Eny ekeko aloha
Tonga lafatra ianao
Ny endrikao soa dia soa
Ianareo manan-katao
Zava-poana izany
Ary ankosotra ihany
Raha ny fiainanao tsy..
Tapahin'i JESOSY

Fa raha mby hoe
Tia ahy ianao, dia izao;
Tsy hiaraka isika, raha toa;
Tsy mbola an'i JESOSY ianao; ka azafady
Ny ahy mantsy
Fitia varo-maty ho doria
Fa tsy sangisangy
Ka raha toa
Ianao tsy tia sy hanompo Azy, dia mampamangy

Nefa raha
Mino an'i JESOSY ianao
Ka tia Azy
Dia izao, eo Imasony isika roa
No hifanaiky

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMPIFITIA
Mpamaky : 9233
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : kofakama
Tamin'ny : 28/09/2016 09:52:35
ID : 8870

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo