Mitety onja (AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mitety onjan-drano mahery
Ny sambokelinay Tompo ô
Tadio sy rivo-mifofo,
Manohitra an’izato dianay.
Manonja mantsy ny rendrarendra
Ka revo-pilibana izahay
Fa maro koa ireo mpankahala
Toa fandrika handrendrika anay

Na mahery atahorana hitondra
Ny rano iampitana.
Izahay dia zanak’omby zatr’onja
Milomano fa tsy tàna.
Ny finoanay ry Tompo tsy hiova
Na mandalo fitsapana.
F’efa vonona hisedra ny loza
Tsy himalo fandravana.

2- Ny teninao dia maro mpampiasa
Fa samy te hilaza ho mahay.
Atao ho fampanginam-bahoaka
Atao ho fandresen-dahatra anay.
Tsy fantany fa ny Teninao
Dia afo anaty efa mivaivay.
Handoro ireo tia tena be loatra
Hanova ireo ‘zay ratsy fanahy.

        Midorehitra mena ny memy
        Mba handoro ny ao anaty
        Ny kanota hikapoka ombieny
        Fa hanova ny saindratsy
        Ny fanantenanay dia ny teny
        Ho resen’ireo fo vato
        Ka ny lanitra no zava-kendreny
        Sy ekeny ho fanamby

3- Izay manjohy ny dianao
Atao fihomehezan’ireo
Miezaka mba hifankatia
Finganina hidaraboka indray
Milofo hanasoa ny olonao
Fitahina solokiana indray
Omeo anay ny fitiavanao
Handresenay ny fakampanahy

Tsy natao hahakivy ny akora
Sy ny eso mankarary
Fa andao ka mirosoa moramora
Miventesa fiderana
Ny fitiavana isan’andro isan’ora
No handresy ny ankaso
Mifanampy na mafy na mora
Ho an’I Jesoa no ilainy

Na mahery atahorana hitondra
Ny rano iampitana.
Izahay dia zanak’omby zatr’onja
Milomano fa tsy tàna.
Ny finoanay ry Tompo tsy hiova
Na mandalo fitsapana.
F’efa vonona hisedra ny loza
Tsy himalo fandravana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176