Iraho ny Fanahinao (AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouou ouou ououou
Ouou ouou ououou

1- Tompo Zanahary ô ! Ianao no nanangana
An’i Jesoa zanakao tao anatin’ny fasana
Hiakatra ho any Aminao, ka nampanantena ny Fanahy
Aza avela hiandry ela fa (Aza avela hiandry ela fa)
iraho ny fanahinao (iraho ny fanahinao)
Aza avela hiandry ela fa Mila mpankahery izahay ee (x2)

Ouou ouou ououou

2- Tompo Zanahary ô! Ianao no nanafaka
Tamin’ny haizim-pito manaloka ny andronay
Fa aloky ny fahotana no iandrasanay ny hazavana
Aza avela hiandry ela fa (Aza avela hiandry ela fa)
iraho ny fanahinao (iraho ny fanahinao)
Aza avela hiandry ela fa Mila mpanazava izahay ee (x2)

Ouou ouou ououou

3- Tompo zanahary ô! Ity taninay ity
Anjakan’ny herisetra sy toetra tsy mendrika
Ny finoanay mbola marefo, fa ndrao revony eo zahay
Aza avela hiandry ela fa (Aza avela hiandry ela fa)
iraho ny fanahinao (iraho ny fanahinao)
Aza avela hiandry ela fa Hamafiso ny finoanay ee (x2)

Iraho ny Fanahinao, mba iraho ny Fanahy mpankahery
Iraho ny Fanahinao, mba iraho ny Fanahy mpanazava
Iraho ny Fanahinao, mba iraho ny Fanahy mpanamasina
Toy ny nanirahanao ny Fanahy tamin’ny mpianatrao ou ou (2x)

Ouou ouou ououou
Ouou ouou ououou
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0228