Jesoa no miahy (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny manjo ahy anio no lalana ho ahy
Ny mafy mihatra anio no voatendry ho ahy
Teo ny ora niafiko zay nanjombona foana
'lay ririnina mangitsy fa tsy lohataona

Ny aditsaina mihatra zay tsapa mandratra
Efa tsapa tsy ho zaka ka ny fo no maratra
Ranomaso tsy tana ka nanjary namely
Ka ny fo no misento ny anaty malemy

Ref: ny oram-pijaliako sy oram-pahoriako
Tsaroako hatrany fa Jesoa no miahy
Ka na maloka ny andro zay miserana tsaroako eo foana Jesoa tsy mandao
Izany no lalam-boatendry ho ahy
Matoky aho anefa fa Ianao Jesosy
Ho loharano anovozako hery Vaovao
Matoa aho toy izao dia ny fahasoavanao

AMEVIF(Efraima Vaovao)
Auteur: RATEFIARISON Sandratr'Hasina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)
Vangy : 372
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Daty : 21/07/2022 09:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755