Tarigetra (Vonjy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TARIGETRARehefa niezaka aho ny ho olo-marina
F'irony hafetsena mba tiko onerana
Rehefa niezaka aho ny ho madio ampo
Fa vonona aho ny handao ny lolompo taloha
Dia toy ny resy aho, ka nila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao
Rehefa niezaka aho ny ho manam-pahendrena
Ka hoe hafoy ireo toetra ratsy mahonena
Niezaka koa aho ny ho mpandefitra
Vao maika toa mihasahy ireo mpanohitra ahy
Dia toy ny resy aho, ka nila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao
ref:
Fa noho ny Teninao izay mampahery ahy
Hoe tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy
Fa efa voafetra ny androny rehetra
Zava-poana fa tsy hitoetra
Hotanako ny tarigetra
Rehefa niezaka aho ny ho mpampihavana
Fa ny fifandrafiana tsy mampiadana
Niezaka koa aho hamela heloka
Vao maika ireo indray no toa handrendrika ahy
Dia toy ny resy aho ka nila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao
ref:
Fa noho ny Teninao izay mampahery ahy
Hoe tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy
Fa efa voafetra ny androny rehetra
Zava-poana fa tsy hitoetra
Hotanako ny tarigetra
Tarika VONJY
--------
Lien:
