Oriory ny saiko (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oriory ny saiko
Mieritreritra an’ialahy
Mitotototo isan’andro miady amin’ izao fiainana izao

Tsy maintsy manao izao aho e
Satria tiako tokoa nareo
Tsy ataoko resy tondro-maso
Ny fiainako ravahinareo

Aza kivy ,aza kivy e
Fa andrinay tokoa ialahy
Dia matokia f’izay tena izy e
No atokanay hanjakan’ialahy
Na be aza ny mpijokojoko
Manao raha mampitoloko
Akanga maro miara-dia ny antsika
Ny ankaso indray no lany fika


Tsy maintsy ho tafita letsy a
Ity sambokelintsika
mamaky onjam-piainana maro
Hafaliana mifangaroharo.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Voahangy
Visites : 5834
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Aina
Date : 02/09/2005 03:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.07